Ezekiel 39:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hivoaka ny mponina ao amin’ny tanànan’ny Israely ka handrehitra sy hitaina ny fiadiana, dia ny ampinga lehibe, ny tsipìka sy ny zana-tsipìka, ny langilangy sy ny lefona, ary hitaina izany mandritra ny fito taona izy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany, hivoaka ny mponina amin’ny tanànan’i Israely, handoro sy hampiredaka ny fiadiana, dia ny ampinga amam-piarovan-tena, ny tsipìka aman-jana-tsipìka, ny langilangy aman-defom-pohy, hatainy izany mandritra ny fito taona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hivoaka ny tanànany ny Israelita, dia handrehitra afo miledaleda handorana ireo fiadian’ny fahavalony. Koa ny ampinga sy ny tsipîka ary ny zana-tsipîka mbamin’ny lefona sy ny langilangy dia hisy hanaovany afo mandritra ny fito taona.
Malagasy Bible 1865
Ary hivoaka ny mponina ao amin'ny tanànan'ny Isiraely ka handrehitra sy hitaina ny fiadiana, dia ny ampinga lehibe, ny tsipìka sy ny zana-tsipìka, ny langilangy sy ny lefona, ary hitaina izany mandritra ny fito taona izy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hivoaka ny mponina ao amin’ny tanànan’ny Israely ka handrehitra sy hitaina ny fiadiana, dia ny ampinga lehibe, ny tsipìka sy ny zana-tsipìka, ny langilangy sy ny lefona, ary hitaina izany mandritra ny fito taona izy;
malagasy