Ezekiel 4:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ianao, ry zanak’olona, makà biriky tanimanga ary apetraho eo anoloanao, dia manaova sarin-tanàna eo aminy, sarin’i Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianao, ry zanak’olona, makà biriky anankiray, apetraho eo anoloanao, ka manorata sarin-tanàna anankiray eo, dia ny sarin’i Jerosalema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampian’ny Tompo hoe: «Ry ilay taranak’olombelona, makà takela-tanimanga iray ianao ary apetraho eo anatrehanao; dia manaova sarin-tanàna eo aminy hoenti-maneho an’i Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
Ary ianao, ry zanak'olona, makà kapila tanimanga, ary apetraho eo anoloanao, dia manorata sarin-tanàna eo aminy, dia sarin'i Jerosalema;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ianao, ry zanak’olona*, makà biriky tanimanga ary apetraho eo anoloanao, dia manaova sarin-tanàna eo aminy, sarin’i Jerosalema.
malagasy
Ary ianao, ry zanak'olona, makà kapila tanimanga, ary apetraho eo anoloanao, dia manorata sarin-tanàna eo aminy, dia sarin'i Jerosalema;