Ezekiel 4:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy koa Izy tamiko: Ry zanak’olona, indro, hotapahiko any Jerosalema ny mofo tohan’aina ka antsinjarany, amin’ny tebiteby, no hihinanany mofo, ary rano afàtra no hosotroiny amin’ny tahotra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy Izy tamiko: «Ry zanak’olona, indro hotapahiko ny tehina mofo any Jerosalema, ka an-danjany sady am-panahiana no hihinanan’izy ireo mofo; ary am-patrany sady amin-kovitra no hisotroany rano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy indray ny Tompo tamiko: –Ry ilay taranak’olombelona, hitanao izao fa hosimbako ny tahiri-mofon’i Jerosalema. Tsy maintsy hametra mafy ny hanina sy ny fisotrony ny olona, ka ho azom-panahiana amin’izany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy koa Izy tamiko: Ry zanak'olona, indro, hotapahiko any Jerosalema ny mofo, tohan'aina, ka an-danjany amin'ny fanahiana no hihinanany mofo; ary rano afàtra no hosotroiny amin'ny fahatahorana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy koa Izy tamiko: Ry zanak’olona, indro, hotapahiko any Jerosalema ny mofo tohan’aina ka antsinjarany, amin’ny tebiteby, no hihinanany mofo, ary rano afàtra no hosotroiny amin’ny tahotra.
malagasy
Ary hoy koa Izy tamiko: Ry zanak'olona, indro, hotapahiko any Jerosalema ny mofo, tohan'aina, ka an-danjany amin'ny fanahiana no hihinanany mofo; ary rano afàtra no hosotroiny amin'ny fahatahorana.Ka dia ho mosare-mofo sy rano izy, ary samy ho raiki-tahotra sady hihalevona noho ny helony.