Ezekiel 4:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia ataovy fahirano izany ka manangàna manda fanafihana hamelezana azy; manandrata tovon-tany eo aminy, asio toby hamelezana azy ary anangano lohondry fandravana manodidina azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ataovy fahirano izy; manaova tilikambo hamelezana azy; manandrata tovon-tany hikatrohana aminy; manorena toby manodidina azy; ary ametraho lohondry vy manodidina azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Asehoy fa voan’ny fahirano izy amin’ny fametrahana hady fanafihana sy tovon-tany ary tobim-pamelezana sy kanontabe manodidina azy.
Malagasy Bible 1865
ary ataovy fahirano izy, ka manaova tilikambo hamelezana azy, ary manandrata tovon-tany manodidina azy; ary asio toby hamelezana azy, ary asio lohondry vy fandravana manodidina azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia ataovy fahirano izany ka manangàna manda fanafihana hamelezana azy; manandrata tovon-tany eo aminy, asio toby hamelezana azy ary anangano lohondry fandravana manodidina azy.
malagasy
ary ataovy fahirano izy, ka manaova tilikambo hamelezana azy, ary manandrata tovon-tany manodidina azy; ary asio toby hamelezana azy, ary asio lohondry vy fandravana manodidina azy.