Ezekiel 4:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tapitrao ireo dia mandria amin’ny ilanao havanana, ary aoka hitondra ny heloky ny taranak’i Joda efapolo andro ianao; ny andro iray no ataoko solon’ny taona iray ho anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa tapitra ireo andro ireo, dia ny ilanao havanana indray no hataonao ambany mandry, ka hitondra ny heloky ny taranak’i Jodà kosa ianao, 40 andro; fa nisaiko ho taona iray ny andro iray ho anao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa mifarana izany fotoana izany, dia mivadiha ianao handry amin’ny ilanao havanana; ka mandritra ny efapolo andro no hivesaranao ny fahotan’ny fanjakàn’i Joda. Ferako ho andro iray isaky ny taona iray nanotany no hanaovanao izany.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tapitrao ireo, dia ataovy ambany mandry kosa ny ilanao ankavanana, ary aoka hitondra ny heloky ny taranak'i Joda efa-polo andro ianao; ny indray andro no nataoko solon'ny herintaona ho anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tapitrao ireo dia mandria amin’ny ilanao havanana, ary aoka hitondra ny heloky ny taranak’i Joda efapolo andro ianao; ny andro iray no ataoko solon’ny taona iray ho anao.
malagasy