Ezekiel 4:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary makà varimbazaha, tsaramaso, voanemba, tsiasisa, ampemby sy spelta ary ataovy anaty vilia iray ireo ka anaovy mofo ho anao; araka ny isan’ny andro izay handrianao amin’ny ilanao, dia sivifolo sy telonjato andro, no hihinananao azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Makà frômenta, orja, kalamaka, voamena, ampemby ary epaotra; ataovy am-bilany iray ireo, ka anaovy mofo ho anao, araka ny isan’ny andro handrianao amin’ny ilanao, 390 andro no hihinananao azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa makà varimbazaha sy ôrza, tsaramaso sy voanemba ary ampemby sy vary henjana, dia ampifangaroy anaty vilia iray ireo mba hanaovanao mofo. Izany no ho sakafonao mandritra ny 390 andro izay handrianao amin’ny ilanao.
Malagasy Bible 1865
Ary mangalà vary tritika sy vary hordea sy tsaramaso sy voanemba sy ampemby sy spelta ianao, ary ataovy am-bilia iray ireo, ka anaovy mofo ho anao; araka ny isan'ny andro izay handrianao amin'ny ilanao, dia sivi-folo amby telon-jato andro, no hihinananao azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary makà varimbazaha, tsaramaso, voanemba, tsiasisa, ampemby sy spelta ary ataovy anaty vilia iray ireo ka anaovy mofo ho anao; araka ny isan’ny andro izay handrianao amin’ny ilanao, dia sivifolo sy telonjato andro, no hihinananao azy.
malagasy
Ary mangalà vary tritika sy vary hordea sy tsaramaso sy voanemba sy ampemby sy spelta ianao, ary ataovy am-bilia iray ireo, ka anaovy mofo ho anao; araka ny isan'ny andro izay handrianao amin'ny ilanao, dia sivi-folo amby telon-jato andro, no hihinananao azy. [Heb. nangidy]