Ezekiel 40:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny taona fahadimy amby roapolo taorianan’ny namaboana antsika, tamin’ny niandohan’ny taona, tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana, tamin’ny taona fahefatra amby folo taorianan’ny namelezana ny tanàna, tamin’izany andro izany dia tonga tamiko ny tanan’NY TOMPO ka nitondra ahy ho any Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona faha-25n’ny nahababo antsika, tamin’ny fiandohan’ny taona, andro fahafolon’ny volana, taona faha-14n’ny naharavan’ny tanàna, tonga tamiko androtr’izay ihany ny tanan’i Iaveh, ka nitondra ahy ho any amin’izany fitoerana izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny fiandohan’ny taona faha-25 taorian’ny fahababoanay, ka ny andro fahafolon’ny volana, izany hoe 14 taona katroka taorian’ny naharavan’i Jerosalema, dia notsindrian’ny herin’ny Tompo aho, ka nentiny nankany.
Malagasy Bible 1865
Tamin'ny taona fahadimy amby roa-polo taorian'ny namaboana antsika, tamin'ny niandohan'ny taona, dia tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana, tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo taorian'ny namelezana ny tanàna, tamin'izany andro izany dia tamiko ny tànan'i Jehovah, ka nitondra ahy ho any Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny taona fahadimy amby roapolo taorianan’ny namaboana antsika, tamin’ny niandohan’ny taona, tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana, tamin’ny taona fahefatra amby folo taorianan’ny namelezana ny tanàna, tamin’izany andro izany dia tonga tamiko ny tanan’NY TOMPO ka nitondra ahy ho any Izy.
malagasy
[Ny fahitana naseho tamin'i Ezekiela ny amin'ny tempoly vaovao] Tamin'ny taona fahadimy amby roa-polo taorian'ny namaboana antsika, tamin'ny niandohan'ny taona, dia tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana, tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo taorian'ny namelezana ny tanàna, tamin'izany andro izany dia tamiko ny tànan'i Jehovah, ka nitondra ahy ho any Izy.