Ezekiel 40:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny efitrefitra fiambenana teo amin’ny vavahady atsinanana dia telo teo andaniny avy; mitovy refy izy telo, ary mitovy refy koa ny andry teo amin’ny lafiny roa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny efitry ny vavahady atsinanana dia telo no teo an-daniny iray, telo koa no teo an-daniny iray; mitovy refy avokoa izy telo avy ireo; sady mitovy refy ny andriny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo toeram-piambenana enina teo amin’ny vavahady atsinanana dia mitovy refy avokoa. Nisy telo avy teo an-daniny roa amin’ny lalantsara afovoany, ka ny rindrina manasaraka azy dia mitovy hatevina avokoa.
Malagasy Bible 1865
Ary ny trano fiambenana teo amin'ny vavahady atsinanana dia telo avy no teo an-daniny; mitovy ohatra izy telo, ary mitovy ohatra koa ny tongo-bato teo amin'ny lafiny roa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny efitrefitra fiambenana teo amin’ny vavahady atsinanana dia telo teo andaniny avy; mitovy refy izy telo, ary mitovy refy koa ny andry teo amin’ny lafiny roa.
malagasy
Ary ny trano fiambenana teo amin'ny vavahady atsinanana dia telo avy no teo an-daniny; mitovy ohatra izy telo, ary mitovy ohatra koa ny tongo-bato teo amin'ny lafiny roa.