Ezekiel 40:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Norefesiny koa ny sakan’ny vavahady ka folo hakiho; ary ny lavan’ny vavahady dia telo amby folo hakiho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Norefesiny ny vavan’ny vavahady, ka folo hakiho ny sakany, telo ambin’ny folo hakiho ny halavany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Norefesin-dralehilahy ihany koa ny velaran’ny faritra ahazoan’ny varavarana misokatra ka mahatratra dimy metatra. Ny velaran’ny lalantsara afovoany manontolo dia misy enina metatra sy sasany.
Malagasy Bible 1865
Ary norefesiny koa ny haben'ny vavahady, ka folo hakiho; ary ny lavan'ny vavahady dia telo ambin'ny folo hakiho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Norefesiny koa ny sakan’ny vavahady ka folo hakiho; ary ny lavan’ny vavahady dia telo amby folo hakiho.
malagasy
Ary norefesiny koa ny haben'ny vavahady, ka folo hakiho; ary ny lavan'ny vavahady dia telo ambin'ny folo hakiho.