Ezekiel 40:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy arofanina teo anoloan’ny efitrefitra fiambenana ka iray hakiho avy no teo an-daniny roa; ny efitrefitra fiambenana dia enina hakiho ny tamin’ny lafiny iray ary enina hakiho koa ny tamin’ny lafiny iray.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Teo anoloan’ny efitra nisy fefy, iray hakiho avy ny lafiny; ny efitra dia samy enina hakiho ny lafiny iray, ary enina hakiho ny lafiny iray hafa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manoloana ireo toeram-piambenana miralafy izay telo metatra avy ny sakany sy lavany, teo an-daniny roa amin’ny lalantsara, dia misy fefy iray antsasa-metatra ny haavony.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy nifefy teo anoloan'ny trano fiambenana, ka iray hakiho avy no teo an-daniny roa; ary ny trano fiambenana, dia enina hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy arofanina teo anoloan’ny efitrefitra fiambenana ka iray hakiho avy no teo an-daniny roa; ny efitrefitra fiambenana dia enina hakiho ny tamin’ny lafiny iray ary enina hakiho koa ny tamin’ny lafiny iray.
malagasy