Ezekiel 40:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy varavarankely makarakara tsy mivoha manodidina, na tao amin’ny efitrefitra fiambenana na tamin’ny andry ao anatin’ny vavahady, manodidina ny vavahady; toy izany koa tamin’ny lalantsara; ary ny tao anatiny dia nisy varavarankely manodidina; teo amin’ny andry rehetra dia samy nisy sarin’ny hazo palma.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy varavarankely makarakara, tamin’ny efitra sy tamin’ny andry, amin’ny lafiny manodidina ao anatin’ny vavahady; toy izany koa tamin’ny efitra fidirana; ka dia varavarankely manodidina ny tao anatiny, ary nisy rofia avokoa ny andry.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Varavaran-kely misy karakara vy no eny amin’ny rindrina ivelany amin’ny toeram-piambenana sy eo amin’ny rindrina mampisaraka azy; ary eo amin’ny rindrina anaty koa dia misy varavaran-kely manodidina. Voaravaka sarin-drofia ny rindrina anatiny teo amin’ny vavahady.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha manodidina, na ao amin'ny trano fiambenana, na amin'ny tongo-bato ao anatin'ny vavahady; ary toy izany koa amin'ny tohany; ary ny ao anatiny dia nisy varavarankely manodidina; ary teo amin'ny tongo-bato rehetra dia samy nisy sarin'ny hazo rofia avokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy varavarankely makarakara tsy mivoha manodidina, na tao amin’ny efitrefitra fiambenana na tamin’ny andry ao anatin’ny vavahady, manodidina ny vavahady; toy izany koa tamin’ny lalantsara; ary ny tao anatiny dia nisy varavarankely manodidina; teo amin’ny andry rehetra dia samy nisy sarin’ny hazo palma.
malagasy
Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha manodidina, na ao amin'ny trano fiambenana, na amin'ny tongo-bato ao anatin'ny vavahady; ary toy izany koa amin'ny tohany; ary ny ao anatiny dia nisy varavarankely manodidina; ary teo amin'ny tongo-bato rehetra dia samy nisy sarin'ny hazo rofia avokoa.[Na: sady manodidina azy ny vavahady][palma]