Ezekiel 40:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia noentiny ho any amin’ny kianja ivelany aho, ary indro, nisy efitrano sy lampivato teny amin’ny kianja manodidina; nisy efitrano telopolo teny amin’ny lampivato.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nentiny aho, ho eo amin’ny kianja ivelany; ary teo dia nisy efitrano sy lampivato voavoatra manodidina ny kianja ary nisy efitrano 30 manaraka ny lampivato.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nentin-dralehilahy tao anatin’ny kianja ivelan’ny tempoly aho. Io kianja io dia voarakotra lampivato ary voahodidina efitrano telopolo.
Malagasy Bible 1865
Dia nentiny ho any amin'ny kianja ivelany aho, ary, indro, nisy efi-trano madinika sy lampivato teny amin'ny kianja manodidina: nisy efi-trano telo-polo teny amin'ny lampivato.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia noentiny ho any amin’ny kianja ivelany aho, ary indro, nisy efitrano sy lampivato teny amin’ny kianja manodidina; nisy efitrano telopolo teny amin’ny lampivato.
malagasy
Dia nentiny ho any amin'ny kianja ivelany aho, ary, indro, nisy efi-trano madinika sy lampivato teny amin'ny kianja manodidina: nisy efi-trano telo-polo teny amin'ny lampivato.