Ezekiel 40:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fahitana avy amin’Andriamanitra no nitondrany ahy ho any amin’ny tanin’ny Israely ka napetrany teo an-tendrombohitra avo dia avo aho, ary nisy zavatra toy ny trano ao amin’ny tanàna teo amin’ny ilany atsimo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny fahitana avy amin’Andriamanitra no itondrany ahy, ho any amin’ny tanin’i Israely, dia napetrany teo amin’ny tendrombohitra anankiray avo dia avo; ary nisy hoatra ny tanàna naorina eo amin’ny ilany atsimo amin’izany tendrombohitra izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao anaty fahitana no nitondran’Andriamanitra ahy nankany amin’ny tanin’i Israely. Napetrany teo an-tampon’ny tendrombohitra iray avo dia avo aho, ka teo amin’ny ilany atsimo dia nisy andian-trano vaventy miendrika tanàna.
Malagasy Bible 1865
Fahitana avy amin'Andriamanitra no nitondrany ahy ho any amin'ny tanin'ny Isiraely, ka napetrany teo an-tendrombohitra avo dia avo aho, ary nisy nitarehin-tanàna teo amin'ny ilany atsimo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fahitana avy amin'Andriamanitra no nitondrany ahy ho any amin'ny tanin'ny Isiraely, ka napetrany teo an-tendrombohitra avo dia avo aho, ary nisy nitarehin-tanàna teo amin'ny ilany atsimo.