Ezekiel 40:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny efitrefitra fiambenany dia telo no teo an-daniny avy; ary ny andry sy ny lalantsara teo aminy dia nitovy refy tamin’ny vavahady voalohany ka dimampolo hakiho ny lavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
- ny efitra aminy telo an-daniny avy, sy ny andriny aman’efitra fidirana, mitovy refy amin’ireo vavahady voalohany - 50 hakiho ny lavany, ary 25 ny sakany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy toeram-piambenana enina koa tao, ka telo avy teo an-daniny roa amin’ny lalantsara. Ny rindrina sy ny lalantsara dia samy nitovy refy tamin’ny an’ilay vavahady atsinanana. Ny halavan’ny vavahady dia 25 metatra ary ny sakany 12 metatra sy sasany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny trano fiambenany dia telo avy no teo an-daniny; ary ny tongo-batony sy ny tohany dia nitovy ohatra tamin'ny vavahady voalohany, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny efitrefitra fiambenany dia telo no teo an-daniny avy; ary ny andry sy ny lalantsara teo aminy dia nitovy refy tamin’ny vavahady voalohany ka dimampolo hakiho ny lavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany.
malagasy