Ezekiel 40:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny varavarankeliny sy ny lalantsarany ary ny sarin’ny hazo palma taminy dia nitovy refy tamin’ireo amin’ny vavahady atsinanana; nisy zanatohatra fito ho fiakarana tao; ary ny lalantsara teo aminy dia tandrifin’ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny varavaran-keliny sy ny efitra fidirany aman-drofiany, sahala refy amin’ireo eo amin’ny vavahady mitodika miantsinanana ny anoloany; ambaratonga fito no iakarana mankeo, ary mifanatrika amin’ny ambaratonga ny efitra fidirana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny lalantsara sy ny varavaran-kely ary ny ravaka sarin-drofia dia nitovy tamin’ny an’ilay vavahady atsinanana. Tohatohatra fito no nidirana teo amin’ny vavahady avaratra miakatra ho ao amin’ny lalantsara.
Malagasy Bible 1865
Ary ny varavarankeliny sy ny tohany an ny sarin'ny hazo rofia taminy dia nitovy ohatra tamin'ny ireo amin'ny vavahady atsinanana, ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao; ary ny tohany dia tandrifin'ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny varavarankeliny sy ny lalantsarany ary ny sarin’ny hazo palma taminy dia nitovy refy tamin’ireo amin’ny vavahady atsinanana; nisy zanatohatra fito ho fiakarana tao; ary ny lalantsara teo aminy dia tandrifin’ireo.
malagasy
Ary ny varavarankeliny sy ny tohany an ny sarin'ny hazo rofia taminy dia nitovy ohatra tamin'ny ireo amin'ny vavahady atsinanana, ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao; ary ny tohany dia tandrifin'ireo.[palma]