Ezekiel 40:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy vavahadin’ny kianja anatiny, tandrifin’ny vavahady fidirana manatrika ny avaratra sy ny atsinanana; norefesiny hatramin’ny vavahady iray ka hatramin’ny iray, dia zato hakiho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy vavahady teo amin’ny kianja anatiny mifanandrify amin’ny vavahady avaratra, tahaka ny amin’ilay atsinanana. Norefesiny ny hatreo amin’ny vavahady anankiray ka hatreo amin’ny anankiray hafa, dia 100 hakiho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tandrifin’ny vavahady avaratra dia nisy fidirana mankao an-kianja anatiny toy ny tao atsinanana. Norefesin-dralehilahy ny elanelan’ireo vavahady roa ireo ka nisy dimampolo metatra.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy vavahadin'ny kianja anatiny, tandrifin'ny vavahady fidirana manatrika ny avaratra sy ny atsinanana; ka dia norefesiny hatramin'ny vavahady anankiray ka hatramin'ny anankiray, ka zato hakiho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy vavahadin’ny kianja anatiny, tandrifin’ny vavahady fidirana manatrika ny avaratra sy ny atsinanana; norefesiny hatramin’ny vavahady iray ka hatramin’ny iray, dia zato hakiho.
malagasy
Ary nisy vavahadin'ny kianja anatiny, tandrifin'ny vavahady fidirana manatrika ny avaratra sy ny atsinanana; ka dia norefesiny hatramin'ny vavahady anankiray ka hatramin'ny anankiray, ka zato hakiho.