Ezekiel 40:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia noentiny nianatsimo aho ka indro, nisy vavahady teo atsimo; norefesiny ny andry sy ny lalantsara teo aminy, dia araka ireo refy ireo ihany koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nentina indray aho nianatsimo, ary inty vavahady mianatsimo; norefesiny ny andry sy ny efitra fidirana ao, ka toraky ny teo ihany koa ny refiny;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nentiny nankao amin’ny ilany atsimo aho nony avy eo, ka nisy vavahady koa tao. Norefesiny ny toeram-piambenana, ny rindrina sy ny lalantsara ka samy nitovy refy tamin’ny an’ireo vavahady hafa.
Malagasy Bible 1865
Dia nentiny nianatsimo aho, ka, indro, nisy vavahady teo atsimo; ka norefesiny ny tongo-batony sy ny tohany, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia noentiny nianatsimo aho ka indro, nisy vavahady teo atsimo; norefesiny ny andry sy ny lalantsara teo aminy, dia araka ireo refy ireo ihany koa.
malagasy
Dia nentiny nianatsimo aho, ka, indro, nisy vavahady teo atsimo; ka norefesiny ny tongo-batony sy ny tohany, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.