Ezekiel 40:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy zanatohatra fito ho fiakarana tao, ary ny lalantsara dia tandrifin’ireo; ary nisy sarin’ny hazo palma iray tamin’ny lafiny iray, ary iray koa tamin’ny lafiny iray teo amin’ny andriny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ambaratonga fito no iakarana mankeo, teo anoloan’ireo ny efitra fidirana; nisy rofia ny andriny: ny iray teo an-daniny, ny iray koa teo an-daniny hafa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tohatohatra fito no nidirana teo am-bavahady hankao amin’ny lalantsara. Ny rindrina anatiny dia voaravaka sarin-drofia teo an-daniny roa amin’ny lalantsara.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao, ary ny tohany dia tandrifin'ireo; ary nisy sarin'ny hazo rofia iray tamin'ny lafiny iray, ary iray koa tamin'ny lafiny iray teo amin'ny tongo-batony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy zanatohatra fito ho fiakarana tao, ary ny lalantsara dia tandrifin’ireo; ary nisy sarin’ny hazo palma iray tamin’ny lafiny iray, ary iray koa tamin’ny lafiny iray teo amin’ny andriny.
malagasy
Ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao, ary ny tohany dia tandrifin'ireo; ary nisy sarin'ny hazo rofia iray tamin'ny lafiny iray, ary iray koa tamin'ny lafiny iray teo amin'ny tongo-batony.[palma]