Ezekiel 40:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy vavahady fidirana amin’ny kianja anatiny teo atsimo, dia norefesiny teo atsimo hatramin’ny vavahady iray ka hatramin’ny iray, dia zato hakiho koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy vavahady koa nitodika mianatsimo, ao amin’ny kianja anatiny; norefesiny ny hatreo amin’ny vavahady anankiray ka hatreo amin’ny anankiray mandeha mianatsimo, ka zato akiho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nifanatrika tamin’io vavahady io dia nisy vavahady iray koa fidirana tao amin’ny kianja anatiny. Norefesin-dralehilahy ny elanelan’ireo vavahady roa ireo ka nisy dimampolo metatra.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy vavahady fidirana amin'ny kianja anatiny teo atsimo, dia norefesiny teo atsimo hatramin'ny vavahady anankiray ka hatramin'ny anankiray, ka zato hakiho koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy vavahady fidirana amin’ny kianja anatiny teo atsimo, dia norefesiny teo atsimo hatramin’ny vavahady iray ka hatramin’ny iray, dia zato hakiho koa.
malagasy
Ary nisy vavahady fidirana amin'ny kianja anatiny teo atsimo, dia norefesiny teo atsimo hatramin'ny vavahady anankiray ka hatramin'ny anankiray, ka zato hakiho koa.