Ezekiel 40:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny efitrefitra fiambenana, ny andry ary ny lalantsara eo aminy dia araka ireo refy ireo ihany koa. Nisy varavarankely teo aminy sy teo amin’ny lalantsara manodidina azy, dimampolo hakiho ny lavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny efitranony, ny andriny, ny efitra fidirana dia nitovy refy; nisy varavarankely manodidina teo aminy sy tamin’ny efitrano fidirana -: 50 hakiho ny lavany, 25 hakiho ny sakany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny toeram-piambenana, ny rindrina manasaraka azy, ary ny lalantsara dia samy nitovy refy tamin’ny an’ireo vavahady hafa. Nisy varavaran-kely nanodidina ny lalantsara. Ka 25 metatra ny halavan’ny vavahady ary 12 metatra sy sasany ny sakany.
Malagasy Bible 1865
ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny efitrefitra fiambenana, ny andry ary ny lalantsara eo aminy dia araka ireo refy ireo ihany koa. Nisy varavarankely teo aminy sy teo amin’ny lalantsara manodidina azy, dimampolo hakiho* ny lavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany.
malagasy
ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.