Ezekiel 40:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia noentiny nankao aho ka indro, nisy lehilahy izay nitarehim-barahina, nitondra tady rongony teny an-tanany sy volotara fandrefesana, ary nitsangana teo am-bavahady izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tongany teo amin’io fitoerana io aho, dia nahita lehilahy anankiray, ka ny tarehiny toa nitarehim-barahina no fijery azy; ary kofehy rongony aman-tehina fandrefesana no teny an-tanany, ary teo amin’ny vavahady izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nentiny nankao aho, ka hitako nisy lehilahy iray mitarehina halimo, mitana tady rongony sy volotara fandrefesana sady nijoro teo akaikin’ny vavahady.
Malagasy Bible 1865
Dia nentiny nankao aho, ka, indro, nisy lehilahy izay nitarehim-barahina, nitondra tady rongony teny an-tànany sy volotara fandrefesana, ary nitsangana teo am-bavahady izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia noentiny nankao aho ka indro, nisy lehilahy izay nitarehim-barahina, nitondra tady rongony teny an-tanany sy volotara fandrefesana, ary nitsangana teo am-bavahady izy.
malagasy
Dia nentiny nankao aho, ka, indro, nisy lehilahy izay nitarehim-barahina, nitondra tady rongony teny an-tànany sy volotara fandrefesana, ary nitsangana teo am-bavahady izy.