Ezekiel 40:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny efitrefitra fiambenana, ny andry ary ny lalantsara teo aminy dia araka ireo refy ireo ihany koa. Nisy varavarankely teo aminy sy teo amin’ny lalantsara manodidina azy, dimampolo hakiho ny lavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny efitranony, ny andriny, ny efitra fidirana, toraky ny teo ihany koa ny refiny; ary nisy varavarankely manodidina teo aminy sy teo amin’ny efitra fidirana -: 50 hakiho ny lavany, 25 hakiho ny sakany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny toeram-piambenana, ny rindrina manasaraka azy, ary ny lalantsara dia samy nitovy refy tamin’ny an’ireo vavahady hafa. Nisy varavaran-kely nanodidina ny varavarana sy ny lalantsara; ka 25 metatra ny halavan’ny vavahady ary 12 metatra sy sasany ny sakany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby-roa-polo hakiho ny sakany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny efitrefitra fiambenana, ny andry ary ny lalantsara teo aminy dia araka ireo refy ireo ihany koa. Nisy varavarankely teo aminy sy teo amin’ny lalantsara manodidina azy, dimampolo hakiho ny lavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany.
malagasy