Ezekiel 40:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanatrika ny kianja ivelany ny lalantsara teo aminy; nisy sarin’ny hazo palma teo amin’ny andry teo andaniny roa, ary nisy zanatohatra valo ho fiakarana ao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nipaka tamin’ny kianja ivelany ny efitra fidirany; nisy rofia tamin’ny andriny teo an-daniny roa avy, ary ambaratonga valo no iakarana ho eo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ilay lalantsara dia nanatrika ny kianja ivelany ary ny rindrina anatiny dia voaravaka sarin-drofia teo an-daniny roa amin’ny lalantsara. Tohatohatra valo no fiakarana mankeo.
Malagasy Bible 1865
Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tohany; ary nisy sarin'ny hazo rofia teo amin'ny tongo-batony andaniny roa, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanatrika ny kianja ivelany ny lalantsara teo aminy; nisy sarin’ny hazo palma teo amin’ny andry teo andaniny roa, ary nisy zanatohatra valo ho fiakarana ao.
malagasy
Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tohany; ary nisy sarin'ny hazo rofia teo amin'ny tongo-batony andaniny roa, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.[palma]