Ezekiel 40:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Teo amin’izany koa dia nisy ny efitrefitra fiambenana, ny andry, ny lalantsara, ary varavarankely manodidina, dimampolo hakiho ny lavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nisy varavarankely manodidina koa ny efitra sy ny andriny ary ny efitra fidirana -: 50 hakiho ny lavany, 25 hakiho ny sakany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy toeram-piambenana ihany koa izy, nisy rindrina manasaraka ary lalantsara sy varavaran-kely manodidina. Ny halavany dia 25 metatra ary ny sakany dia 12 metatra sy sasany.
Malagasy Bible 1865
ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany, ary nisy varavarankely teo aminy manodidina, dia dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Teo amin’izany koa dia nisy ny efitrefitra fiambenana, ny andry, ny lalantsara, ary varavarankely manodidina, dimampolo hakiho ny lavany ary dimy amby roapolo hakiho ny sakany.
malagasy
ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany, ary nisy varavarankely teo aminy manodidina, dia dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.