Ezekiel 40:37 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanatrika ny kianja ivelany ny andry teo aminy; nisy sarin’ny hazo palma teo amin’ny andriny teo an-daniny roa, ary zanatohatra valo no fiakarana ao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nipaka tamin’ny kianja ivelany ny andriny, nisy rofia tamin’ny andriny, ary ambaratonga valo no iakarana ho eo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ilay lalantsara dia nanatrika ny kianja ivelany. Ny rindrina anatiny dia voaravaka sarin-drofia eny an-daniny roa amin’ny lalantsara toy ny teo aloha. Tohatohatra valo no fiakarana mankeo.
Malagasy Bible 1865
Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tongo-batony; nisy sarin'ny hazo rofia teo amin'ny tongo-batony andaniny roa; ary ambaratonga valo no fiakarana ao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanatrika ny kianja ivelany ny andry teo aminy; nisy sarin’ny hazo palma teo amin’ny andriny teo an-daniny roa, ary zanatohatra valo no fiakarana ao.
malagasy
Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tongo-batony; nisy sarin'ny hazo rofia teo amin'ny tongo-batony andaniny roa; ary ambaratonga valo no fiakarana ao.[palma]