Ezekiel 40:39 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Teo amin’ny lalantsaran’ny vavahady dia nisy latabatra roa teo an-daniny roa, hamonoana ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Teo amin’ny efitra fidirana eo am-bavahady, nisy latabatra roa avy isan-dafiny roa, izay tsy maintsy namonoana ny zavatra hanaovana ny sorona dorana, sy sorona noho ny ota, ny sorona noho ny fahadisoana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teo an-daniny roa amin’io lalantsara io, dia nisy latabatra roa avy, ka teo no namonoana ireo biby natao sorona: dia ny sorona dorana manontolo na ny sorona famelan-keloka na ny sorom-panonerana.
Malagasy Bible 1865
Ary teo amin'ny lavarangan'ny vavahady dia nisy latabatra roa avy tamin'ny lafiny roa hamonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Teo amin’ny lalantsaran’ny vavahady dia nisy latabatra roa teo an-daniny roa, hamonoana ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana.
malagasy
Ary teo amin'ny lavarangan'ny vavahady dia nisy latabatra roa avy tamin'ny lafiny roa hamonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana.