Ezekiel 40:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy Ralehilahy tamiko: Ry zanak’olona, mijere amin’ny masonao ary mihainoa amin’ny sofinao ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao, fa ny hanehoako anao izao no nitondrana anao eto. Ambarao amin’ny taranak’Israely izay rehetra hitanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy ralehilahy tamiko: «Ry zanak’olona, mijere amin’ny masonao, mihainoa amin’ny sofinao, ary mandiniha tsara ao am-ponao, ny zavatra rehetra hasehoko anao, fa ny hanehoana an’izany aminao no nitondrana anao etoana. Ampahalalao ny taranak’i Israely avokoa, izay rehetra ho hitanao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ralehilahy io tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, mijere tsara amin’ny masonao, mihainoa tsara amin’ny sofinao, ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao satria ny hanehoako anao izao no nitondrako anao atỳ. Avy eo dia hotantarainao amin’ny Israelita izay rehetra hitanao.»
Malagasy Bible 1865
Dia hoy ralehilahy tamiko: Ry zanak'olona, mijere amin'ny masonao, ary mihainoa amin'ny sofinao, ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao; fa ny hanehoako anao izao no nitondrana anao eto. Ambarao amin'ny taranak'Isiraely izay rehetra hitanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy Ralehilahy tamiko: Ry zanak’olona*, mijere amin’ny masonao ary mihainoa amin’ny sofinao ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao, fa ny hanehoako anao izao no nitondrana anao eto. Ambarao amin’ny taranak’Israely izay rehetra hitanao.
malagasy
Dia hoy ralehilahy tamiko: Ry zanak'olona, mijere amin'ny masonao, ary mihainoa amin'ny sofinao, ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao; fa ny hanehoako anao izao no nitondrana anao eto. Ambarao amin'ny taranak'Isiraely izay rehetra hitanao.