Ezekiel 40:42 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy latabatra efatra natao tamin’ny vato voapaika ho amin’ny fanatitra dorana manontolo, iray hakiho sy sasany ny lavany ary iray hakiho sy sasany koa ny sakany, ary iray hakiho ny haavony; teo no hametrahana ny zavatra famonoana ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hafa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy koa latabatra efatra, ho an’ny sorona dorana, natao tamin’ny vato voapaika, iray hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, iray hakiho ny haavony, fametrahana ny fiasana hamonoana ny sorona dorana sy ny sorona hafa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny latabatra efatra natokana hamonoana ireo sorona dorana manontolo dia natao tamin’ny vato voapaika. Mirefy 75 santimetatra ny sakany sy ny lavany ary dimampolo santimetatra ny haavony. Teo no nametrahana izay fitaovana rehetra nilaina hanomanana ireo biby natolotra ho sorona.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy latabatra efatra natao tamin'ny vato voapaika ho amin'ny fanatitra dorana, iray hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany koa ny sakany, ary iray hakiho ny hahavony; teo no nametrahany ny zavatra famonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy latabatra efatra natao tamin’ny vato voapaika ho amin’ny fanatitra dorana manontolo, iray hakiho sy sasany ny lavany ary iray hakiho sy sasany koa ny sakany, ary iray hakiho ny haavony; teo no hametrahana ny zavatra famonoana ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hafa.
malagasy