Ezekiel 40:43 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy sisiny, felatanana iray ny sakany, manodidina eny amin’ny rindrina; ary eny ambonin’ny latabatra no hasiana ny hena hatao fanatitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy farango vodivoam-pelatanana ny habeny, naompana teny amin’ny rindrina manodidina; ary ny hena atao sorona, dia tsy maintsy napetraka teo ambony latabatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy lakan-drano kely namboarina manodidina ny sisin-databatra ka valo santimetatra ny velarany; ary teo ambonin’ireo latabatra ireo no nametrahana ny hena hatao sorona.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy fihantonana roa rantsana, vodivoam-pelatanana ny halavany, naorina manodidina eny amin'ny rindrina; ary natao teo ambonin'ny latabatra ny hena fanatitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy sisiny, felatanana iray ny sakany, manodidina eny amin’ny rindrina; ary eny ambonin’ny latabatra no hasiana ny hena hatao fanatitra.
malagasy
Ary nisy fihantonana roa rantsana, vodivoam-pelatanana ny halavany, naorina manodidina eny amin'ny rindrina; ary natao teo ambonin'ny latabatra ny hena fanatitra.[Na: nisy filirany][Na: ny habeny]