Ezekiel 40:46 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny efitrano manatrika ny avaratra kosa dia ho an’ny mpisorona izay mitandrina ny anjara raharaha ny amin’ny alitara. Ireo dia taranak’i Zadoka izay isan’ny taranak’i Levy ka manatona NY TOMPO hanao fanompoana ho Azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary ny efitrano mitodika mianavaratra kosa ho an’ny mpisorona miadidy ny fanompoana momba ny ôtely. Ireo taranak’i Sadôka amin’ny taranak’i Levì no manatona an’i Iaveh, hanao ny fanompoana azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa ilay mitodika mianavaratra kosa dia voatokana ho an’ny mpisorona misahana raharaha momba ny alitara. Ary amin’ny fokon’i Levỳ dia ny taranak’i Tsadôka ihany no afa-manatona ny TOMPO mba hanao fanompoam-pivavahana aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny efi-trano manatrika ny avaratra kosa dia ho an'ny mpisorona izay mitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny alitara, ireo dia taranak'i Zadoka, izay isan'ny taranak'i Levy, ka manatona an'i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ho Azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny efitrano manatrika ny avaratra kosa dia ho an’ny mpisorona izay mitandrina ny anjara raharaha ny amin’ny alitara. Ireo dia taranak’i Zadoka izay isan’ny taranak’i Levy ka manatona NY TOMPO hanao fanompoana ho Azy.
malagasy