Ezekiel 40:48 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary noentiny ho any amin’ny lalantsaran’ny Trano aho, dia norefesiny ny andriny amin’ny lalantsara fidirana ka dimy hakiho ny tamin’ny lafiny iray ary dimy hakiho koa ny tamin’ny lafiny iray; ny sakan’ny vavahady dia telo hakiho ny tamin’ny lafiny iray ary telo hakiho koa ny tamin’ny lafiny iray.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nentiny ho eo amin’ny efitrano fidirana ao an-trano aho nony avy eo, dia norefesiny ny andrin’ny efitrano fidirana, ka dimy hakiho ny lafiny iray, dimy hakiho koa ny lafiny iray; ary haben’ny alo-baravarana koa: telo hakiho ny lafiny iray; telo hakiho ny lafiny iray hafa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nentiny niditra tao amin’ny lalantsara mankao an-tempoly aho: nandrefy teo ralehilahy ka ny rindrina dia mirefy roa metatra sy sasany avy ny hateviny; ary fito metatra kosa ny sakan’ny fidirana. Ny hatevin’ny rindrina an-daniny roa kosa dia iray metatra sy sasany avy.
Malagasy Bible 1865
Ary nentiny ho any amin'ny lavarangan'ny trano aho, dia norefesiny ny tongo-batony amin'ny lavarangana fidirana, ka dimy hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary dimy hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray, ary ny sakan'ny vavahady dia telo hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary telo hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary noentiny ho any amin’ny lalantsaran’ny Trano aho, dia norefesiny ny andriny amin’ny lalantsara fidirana ka dimy hakiho ny tamin’ny lafiny iray ary dimy hakiho koa ny tamin’ny lafiny iray; ny sakan’ny vavahady dia telo hakiho ny tamin’ny lafiny iray ary telo hakiho koa ny tamin’ny lafiny iray.
malagasy
Ary nentiny ho any amin'ny lavarangan'ny trano aho, dia norefesiny ny tongo-batony amin'ny lavarangana fidirana, ka dimy hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary dimy hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray, ary ny sakan'ny vavahady dia telo hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary telo hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray.Roa-polo hakiho ny lavan'ny lavarangana fidirana, ary iraika ambin'ny folo hakiho ny satany; ary ambaratonga no fiakarana ao; ary nisy tongo-bato teo anilan'ny tolana, iray tamin'ny lafiny iray, ary iray tamin'ny lafiny iray koa.