Ezekiel 40:49 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Roapolo hakiho ny lavan’ny lalantsara fidirana ary iraika amby folo hakiho ny sakany; nisy zanatohatra hiakarana tao; nisy andry teo anilan’ny tolana, iray teo an-daniny, iray teo an-kilany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny efitra fidirana 20 hakiho ny halavany; 11 hakiho ny sakany, amin’ny ambaratonga miakatra ho eo; nisy andry varahina teo anilan’ny andry: iray teo amin’ny lafiny iray; iray teo amin’ny lafiny iray hafa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Folo metatra no halavan’ny lalantsara fidirana ary enina metatra ny sakany. Tohatohatra folo no fiakarana ao; ary nisy andry iray avy teo anilan’ny tolam-bavahady.
Malagasy Bible 1865
Roa-polo hakiho ny lavan'ny lavarangana fidirana, ary iraika ambin'ny folo hakiho ny satany; ary ambaratonga no fiakarana ao; ary nisy tongo-bato teo anilan'ny tolana, iray tamin'ny lafiny iray, ary iray tamin'ny lafiny iray koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Roapolo hakiho ny lavan’ny lalantsara fidirana ary iraika amby folo hakiho ny sakany; nisy zanatohatra hiakarana tao; nisy andry teo anilan’ny tolana, iray teo an-daniny, iray teo an-kilany.
malagasy