Ezekiel 40:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary indro, nisy ampiantany vato manodidina teny ivelan’ny trano, ary teny an-tanan-dRalehilahy dia nisy volotara fandrefesana, enina hakiho ny halavany, kanefa isaky ny hakiho iray dia nihoatra felatanana iray noho ny fanao. Norefesiny ny hatevin’ny ampiantany ka iray volotara fandrefesana, ary ny haavony dia iray volotara fandrefesana koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy manda ivelany nanodidina ny trano, tamin’ny lafiny rehetra; ary nisy volotara fandrefesana enina hakiho teny an-tanan-dralehilahy; nihoatra vodivoam-pelatanana avy ny iray hakiho. Norefesiny ny hatevin’io rafitra io, ka eran’ny volotara; ary ny haavony, ka eran’ny volotara.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary indro hitako nisy tamboho iray ivelany manodidina ny tempoly, ary teny an-tanan-dralehilahy ny volotarany izay telo metatra ny halavany. Norefesiny hatevina sy haavo ilay tamboho ka telo metatra avy na ny hateviny na ny haavony.
Malagasy Bible 1865
Ary, indro, nisy ampiantany vato manodidina teny ivelan'ny trano, ary eny an-tanan-dralehilahy nisy volotara fandrefesana, enina hakiho ny halavany, kanefa isaky ny hakiho iray dia nihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao; ka dia norefesiny ny hatevin'ny ampiantany, ka eran'ny volotara. ary ny hahavony dia eran'ny volotara koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary indro, nisy ampiantany vato manodidina teny ivelan’ny trano, ary teny an-tanan-dRalehilahy dia nisy volotara fandrefesana, enina hakiho* ny halavany, kanefa isaky ny hakiho iray dia nihoatra felatanana iray noho ny fanao. Norefesiny ny hatevin’ny ampiantany ka iray volotara fandrefesana, ary ny haavony dia iray volotara fandrefesana koa.
malagasy