Ezekiel 40:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny efitrefitra fiambenana dia iray volotara fandrefesana ny lavany ary iray volotara fandrefesana koa ny sakany; ny elanelan’ny efitrefitra fiambenana dia dimy hakiho; ary ny tokonan’ny vavahady eo anilan’ny lalantsaran’ny vavahady, tao anatiny, dia iray volotara fandrefesana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny efitrano tsirairay avy dia eran’ny volotara ny lavany, eran’ny volotara ny sakany; dimy hakiho avy no elanelan’ny efitra. Ny tokonam-bavahady anilan’ny efitra fidirana amin’ny vavahady tandrifin’ny trano dia eran’ny volotara.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny toeram-piambenana tsirairay manamorona ny lalantsara afovoany mankeny am-baravarana dia samy telo metatra na ny sakany na ny lavany. Ny rindrina manasaraka azy ireny dia roa metatra sy sasany ny hateviny. Misy fidirana mahatratra telo metatra ny halavany mialoha ny lalantsara manoloana ny tempoly.
Malagasy Bible 1865
Ary ny trano fiambenana, dia eran'ny volotara ny lavany, ary eran'ny volotara koa ny sakany; ary ny elanelan'ny trano fiambenana dia dimy hakiho; ary ny tokonam-bavahady eo anilan'ny lavarangan'ny vavahady anatiny dia eran'ny volotara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny efitrefitra fiambenana dia iray volotara fandrefesana ny lavany ary iray volotara fandrefesana koa ny sakany; ny elanelan’ny efitrefitra fiambenana dia dimy hakiho; ary ny tokonan’ny vavahady eo anilan’ny lalantsaran’ny vavahady, tao anatiny, dia iray volotara fandrefesana.
malagasy