Ezekiel 41:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary noentiny ho ao amin’ny tempoly aho. Norefesiny ny andry ka enina hakiho ny sakany tamin’ny lafiny iray ary enina hakiho ny sakany tamin’ny lafiny iray; sakan’ny tranolay izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nentiny ho ao amin’ny tempoly aho, ary norefesiny ny andriny, ka enina hakiho ny sakany amin’ny lafiny iray, enina hakiho koa ny sakany amin’ny lafiny iray, - hoatra ny sakan’ny trano iray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nentin-dralehilahy hankao amin’ny efitrano malalaka tao an-tempoly aho. Dia nandrefy teo izy, ka ny rindrin’ny lalantsara mankao dia nisy telo metatra ny sakany;
Malagasy Bible 1865
Ary nentiny ho ao amin'ny ati-trano lehibe aho, dia norefesiny ny tongo-bato, ka enina hakiho ny sakany tamin'ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny sakany tamin'ny lafiny iray; sakan'ny trano-lay izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary noentiny ho ao amin’ny tempoly aho. Norefesiny ny andry ka enina hakiho* ny sakany tamin’ny lafiny iray ary enina hakiho ny sakany tamin’ny lafiny iray; sakan’ny tranolay izany.
malagasy
Ary nentiny ho ao amin'ny ati-trano lehibe aho, dia norefesiny ny tongo-bato, ka enina hakiho ny sakany tamin'ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny sakany tamin'ny lafiny iray; sakan'ny trano-lay izany.