Ezekiel 41:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny vatan-trano izay teo anoloan’ilay kianja voafaritra teo amin’ny lafiny andrefana dia fitopolo hakiho ny sakany, ary ny rindrin’ny trano dia dimy hakiho ny hatevin’ny manodidina ary sivifolo hakiho ny lavany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ilay trano nifanatrika tamin’ny fitoerana foana amin’ny lafiny andrefana, dia fitopolo hakiho ny sakany; dimy hakiho manodidina no hatevin’ny rindrin-trano, ary sivy folo hakiho ny lavany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teo andrefan’ny tempoly dia nisy trano iray manatrika io toera-malalaka io. Mirefy 45 metatra ny lavany sy 35 metatra ny sakany ary roa metatra sy sasany ny hatevin’ny rindrina.
Malagasy Bible 1865
Ary ny trano izay teo anoloan'ilay kianja voatokana tamin'ny lafiny andrefana, dia dia fito-polo hakiho ny sakany; ary ny rindrin'ny trano, dia dimy hakiho ny hatevin'ny manodidina, ary sivi-folo hakiho ny lavany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny vatan-trano izay teo anoloan’ilay kianja voafaritra teo amin’ny lafiny andrefana dia fitopolo hakiho ny sakany, ary ny rindrin’ny trano dia dimy hakiho ny hatevin’ny manodidina ary sivifolo hakiho ny lavany.
malagasy