Ezekiel 41:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandrefy ny Trano izy ka zato hakiho ny lavany, ary ilay kianja voatokana sy ny vatan-trano ary ny rindrina dia zato hakiho ny lavany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandrefy ny trano izy, ka zato hakiho ny sakany, ny fitoerana foana, ny trano sy ny rindriny, zato hakiho ny lavany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandrefy ny tempoly ralehilahy ka dimampolo metatra ny halavany. Nisy dimampolo metatra koa ny halavan’ilay toera-malalaka nisy ilay trano teo andrefana mbamin’ny rindriny.
Malagasy Bible 1865
Dia nandrefy ny trano izy, ka zato hakiho ny lavany, ary ny kianja voatokana sy ny trano ary ny rindrina, dia zato hakiho ny lavany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandrefy ny Trano izy ka zato hakiho ny lavany, ary ilay kianja voatokana sy ny vatan-trano ary ny rindrina dia zato hakiho ny lavany.
malagasy
Dia nandrefy ny trano izy, ka zato hakiho ny lavany, ary ny kianja voatokana sy ny trano ary ny rindrina, dia zato hakiho ny lavany.