Ezekiel 41:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ny tokonana, ny varavarankely makarakara tsy mivoha ary ny rihana telo miantoana manodidina izay manandrify ny tokonana dia nopetahana hazo fisaka manodidina, hatramin’ny tany ka hatramin’ny varavarankely koa, ary nihidy ny varavarankely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tao amin’ny tempoly, dia ao anatiny sy ao amin’ny efitrano fidirana ho any amin’ny kianja, dia voapetaka hazo mitovy tantana amin’ny manodidina, na ny tokonana, na ny varavarankely makarakara aman-dalan-tsara manodidina, amin’izy telo manandrify ny tokonana. Hatramin’ny tany ka hatreo amin’ny varavarankely - mirindrina ny varavarankely -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
toy izany koa ny varavaran-kely makarakara sy ireo tranoheva fanampiny mirihana telo manodidina ny tempoly. Voapetaka hazo avokoa hatreo amin’ny fototra ka hatreny amin’ny varavaran-kely. Voarakotra latsy kosa ny varavaran-kely.
Malagasy Bible 1865
ary ny tokonana sy ny varavarankely makarakara tsy mivoha ary ny lalan-tsara manodidina amin'izy telo (manandrify ny tokonana dia nopetahana hazo fisaka manodidina, ary hatramin'ny tany ka hatramin'ny varavarankely koa, ary voasarona ny varavarankely),
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ny tokonana, ny varavarankely makarakara tsy mivoha ary ny rihana telo miantoana manodidina izay manandrify ny tokonana dia nopetahana hazo fisaka manodidina, hatramin’ny tany ka hatramin’ny varavarankely koa, ary nihidy ny varavarankely.
malagasy