Ezekiel 41:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny alitara dia hazo ka telo hakiho ny haavony ary roa hakiho ny lavany; nisy zorony koa ka ny lavany sy ny sisiny dia hazo. Ary hoy izy tamiko: Io no latabatra izay eo anatrehan’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
telo hakiho ny haavony, roa hakiho ny halavany: nisy zorony izy, ary hazo ny rindriny manaraka ny halavany rehetra. Dia hoy izy tamiko: Io no latabatra eo anatrehan’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
amin’ny alitara hazo izay mirefy iray metatra sy sasany ny haavony ary iray metatra ny sakany. Misy zorony sy fanambaniny ary sisiny hazo. Ka hoy ralehilahy tamiko: «Io no latabatra eo anatrehan’ny TOMPO.»
Malagasy Bible 1865
Ny alitara dia hazo, ka telo hakiho ny hahavony, ary roa hakiho ny lavany; ary nisy zorony koa, ary ny lavany sy ny rindriny dia hazo. Ary hoy izy tamiko: Io no latabatra izay eo anatrehan'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny alitara dia hazo ka telo hakiho* ny haavony ary roa hakiho ny lavany; nisy zorony koa ka ny lavany sy ny sisiny dia hazo. Ary hoy izy tamiko: Io no latabatra izay eo anatrehan’NY TOMPO.
malagasy
Ny alitara dia hazo, ka telo hakiho ny hahavony, ary roa hakiho ny lavany; ary nisy zorony koa, ary ny lavany sy ny rindriny dia hazo. Ary hoy izy tamiko: Io no latabatra izay eo anatrehan'i Jehovah.