Ezekiel 41:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy sarin’ny kerobima sy ny hazo palma natao teo amin’ny varavaran’ny tempoly, tahaka izay natao teo amin’ny rindrina ihany; nisy tatao hazo teo anoloan’ny lalantsara fidirana, teo ivelany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Teo amin’ny varavaran’ny Tempoly nisy kerobima aman-drofia tahaka ny voaseho ao amin’ny rindrina, ary nisy tafo hazo teo anoloan’ny efitrano fidirana eo ivelany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy sarina kerobima sy rofia voasokitra tahaka ny teny amin’ny rindrina teo amin’ny varavaran’ny efitrano malalaka. Teo ivelany kosa dia nisy tatao hazo teo ambonin’ny varavarana fidirana.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia natao teo amin'ny varavaran'ny ati-trano lehibe tahaka izay natao teo amin'ny rindrina ihany; ary nisy tokonana hazo teo anoloan'ny lavarangana fidirana, dia teo ivelany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy sarin’ny kerobima sy ny hazo palma natao teo amin’ny varavaran’ny tempoly, tahaka izay natao teo amin’ny rindrina ihany; nisy tatao hazo teo anoloan’ny lalantsara fidirana, teo ivelany.
malagasy
Ary nisy sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia natao teo amin'ny varavaran'ny ati-trano lehibe tahaka izay natao teo amin'ny rindrina ihany; ary nisy tokonana hazo teo anoloan'ny lavarangana fidirana, dia teo ivelany.[palma][Na: tatao]Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha sy sarin'ny hazo rofia teo an-daniny roa, dia teo anilan'ny lavarangana fidirana sy teo amin'ny efi-trano momba ny trano ary teo amin'ny tokonana.[palma][Na: tatao]