Ezekiel 41:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo paosin-trano ireo dia milahatra ho rihana telo izay miverina intelopolo; ary nitsatoka tamin’ny rindrina izay ho an’ny paosin-trano manodidina izy, fa tsy nitsatoka amin’ny rindrin’ny Trano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny amin’ny efitra an-daniny avy dia nisy efitra telo mifanao ambony sy ambany, samy telopolo avy ny andalany; nipaka tamin’ny rindrina naorina hanaovana an’ireo efitra manodidina ny trano, ka niankina tamin’ny rindrin-trano, fa tsy tafatsofoka ao anatiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy rihana telo ireny ka samy nisy efitra telopolo avy isaky ny rihana. Ny efitra tsirairay dia mitehina amin’ny rindrina ivelany fa tsy miankina amin’ny tempoly akory.
Malagasy Bible 1865
Ary ireo paosin-trano ireo dia nifanongoa telo sady telo-polo milahatra; ary niankina tamin'ny rindrin-trano izay ho an'ny paosin-trano manodidina izy mba hitsatohany, fa tsy hitsatoka amin'ny rindrin'ny trano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo paosin-trano ireo dia milahatra ho rihana telo izay miverina intelopolo; ary nitsatoka tamin’ny rindrina izay ho an’ny paosin-trano manodidina izy, fa tsy nitsatoka amin’ny rindrin’ny Trano.
malagasy