Ezekiel 41:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny sakan’ireo paosin-trano ireo dia nihamalalaka isaky ny rihana, fa niampy isaky ny rihana izany ka nihamalalaka araka ny fisandratany; ary ny tombon’ny ambony amin’ny antenantenany dia tahaka ny tombon’ny antenantenany amin’ny ambany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nihamalalaka isaky ny ifanongoavan’ireo efitra ireo, fa isan-drihana dia nisy lalan-tsara handehanana manodidina hatrany hatrany. Ka noho izany dia nihamalalaka isaky ny mifanongoa io ilan-trano io, ka ny lalan-tsara amin’ny tany dia etiety kokoa noho ny amin’ny rihana ambony; mifanao ara-keviny amin’ny roa sisa koa, ny lalan-tsara ao antenatenany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitombo hatrany ny velaran’ny efitra isaky ny rihana fa nihena kosa ny hatevin’ny rindrina manodidina. Noho izany, arakaraky ny niakarana no nampalalaka ny toerana ao anatiny. Avy any amin’ny rihana ambany no niakarana ho ao amin’ny rihana antenatenany ary avy eo no niakarana ho any amin’ny rihana farany ambony.
Malagasy Bible 1865
Ary ny sakan'ireo efi-trano ireo dia nihamalalaka manodidina isaky ny mifanongoa, fa niampy isaky ny mifanongoa izy, ka dia nihamalalaka araka ny fisandrany; ary ny tombon'ny ambony amin'ny an-tenatenany dia tahaka ny tombon'ny an-tenatenany amin'ny ambany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny sakan’ireo paosin-trano ireo dia nihamalalaka isaky ny rihana, fa niampy isaky ny rihana izany ka nihamalalaka araka ny fisandratany; ary ny tombon’ny ambony amin’ny antenantenany dia tahaka ny tombon’ny antenantenany amin’ny ambany.
malagasy