Ezekiel 42:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy tamiko: Ny efitrano avaratra sy ny efitrano atsimo izay eo anoloan’ny kianja voatokana, dia efitrano masina; any ny mpisorona izay manatona NY TOMPO no mihinana ny zavatra masina indrindra; any no hametrahany izay zavatra masina indrindra, dia ny fanatitra avy amin’ny vokatry ny tany sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana. Masina io toerana io.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy izy tamiko: «Ireo efitrano eo avaratra, sy efitrano eo atsimo manatrika ny fitoerana foana ireo, no efitranon’ny fitoerana masina, ihinanan’ny mpisorona manatona an’i Iaveh ny zava-masina indrindra; ao no ametrahany ny zavatra masina indrindra, ny fanatitra, ny sorona noho ny ota sy noho ny fahadisoana, satria masina io fitoerana io.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ralehilahy tamiko: «Ireo efitrano avaratra sy efitrano atsimo izay manoloana ny kianja ireo dia efitrano voatokana. Ao amin’ireo efitrano ireo manko ny mpisorona izay manatona ny TOMPO no mihinana ny zava-masina indrindra. Eny, voatokana io faritra io, ka ao no ametrahana ny zava-masina indrindra, dia ireo fanatitra vokatry ny tany sy ireo biby natao sorona ho fanalana ny ota sy ho fanonerana.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy tamiko; Ny efi-trano avaratra sy ny efi-trano atsimo, izay eo anoloan'ny kianja voatokana, dia efi-trano masina, hihinanan'ny mpisorona izay manatona an'i Jehovah ny zavatra masina indrindra; any no hametrahany izay zavatra masina indrindra, dia ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana: fa masina io fitoerana io.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy tamiko: Ny efitrano avaratra sy ny efitrano atsimo izay eo anoloan’ny kianja voatokana, dia efitrano masina; any ny mpisorona izay manatona NY TOMPO no mihinana ny zavatra masina indrindra; any no hametrahany izay zavatra masina indrindra, dia ny fanatitra avy amin’ny vokatry ny tany sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana. Masina io toerana io.
malagasy