Ezekiel 42:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa miditra ao ny mpisorona dia tsy hiala amin’ny fitoerana masina ho any amin’ny kianja ivelany izy, fa ao no hametrahany ny fitafiana masina izay noentiny nanao fanompoana satria masina ireo; ary hitafy fitafiana hafa izy vao manatona ny vahoaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa tafiditra ao ny mpisorona dia tsy hiala ao amin’ny fitoerana masina izy mba ho ao amin’ny kianja ivelany, raha tsy efa navelany ao ny fitafiana nentiny nanao ny fanompoana; fa masina izany fitafiana izany. Miova fitafiana aloha izy, vao manatona mankao amin’ny raharaha momba ny vahoaka.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankoatra izany, ireo mpisorona izay niditra tao amin’ny Toera-masina dia tsy mahazo mandeha any amin’ny kianja ivelany avy hatrany; fa tsy maintsy ao amin’ireo efitrano ireo no amelany ny fanamiana masina izay nentiny nanompo ny Tompo, ary ao koa no iakanjoany ireo fitafiany hafa alohan’ny hankanesany any amin’ny toerana misy ny sarambabem-bahoaka.»
Malagasy Bible 1865
Raha miditra ao ny mpisorona, dia tsy hiala amin'ny fitoerana masina ho any amin'ny kianja ivelany izy, fa ao no hamelany ny fitafiana masina izay nentiny nanao fanompoam-pivavahana, satria masina ireo; ary hitafy fitafiana hafa izy vao manatona ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa miditra ao ny mpisorona dia tsy hiala amin’ny fitoerana masina ho any amin’ny kianja ivelany izy, fa ao no hametrahany ny fitafiana masina izay noentiny nanao fanompoana satria masina ireo; ary hitafy fitafiana hafa izy vao manatona ny vahoaka.
malagasy