Ezekiel 42:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony voarefiny ny Trano anatiny dia noentiny nivoaka nankany amin’ny vavahady izay manatrika ny atsinanana aho, ary nandrefy ny manodidina izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tapitra norefesiny ny tao anatin’ny trano, dia nentiny nivoaka aho ho ao amin’ny vavahady, izay mitodika miantsinanana ny anoloany, dia norefesiny ny manodidina io.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa vitan-dralehilahy ny fandrefesana ny trano anatiny ao amin’ny tempoly, dia nentiny nivoaka ny vavahady atsinanana aho. Dia nandrefy ny manodidina ny tempoly izy.
Malagasy Bible 1865
Ary nony vita ny nandrefesany ny trano anatiny, dia nentiny nivoaka nankany amin'ny vavahady izay manatrika ny atsinanana aho, ka norefesiny ny manodidina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony voarefiny ny Trano anatiny dia noentiny nivoaka nankany amin’ny vavahady izay manatrika ny atsinanana aho, ary nandrefy ny manodidina izy.
malagasy
Ary nony vita ny nandrefesany ny trano anatiny, dia nentiny nivoaka nankany amin'ny vavahady izay manatrika ny atsinanana aho, ka norefesiny ny manodidina.