Ezekiel 42:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Norefesiny avokoa ny lafiny efatra. Nisy ampiantany manodidina, indimanjaton’ny volotara fandrefesana ny lavany ary indimanjatony koa ny sakany, hampiavaka ny masina sy ny tsy masina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Norefesiny ny lafiny efatra amin’ny manodidina; fa nisy tamboho manodidina ny tempoly, ka dimanjato ny lavany, dimanjato ny sakany, mba hampiavaka ny masina sy ny tsy masina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy izany no nandrefesany ny tamboho manodidina ny tempoly tamin’ny lafiny efatra. Efamira ny tamboho manodidina ka samy dimampolo sy roanjato metatra avy ny lafiny efatra; ary io tamboho io no natao hampisaraka ny toerana voatokana ho an’Andriamanitra sy ny toerana hafa.
Malagasy Bible 1865
Norefesiny avokoa ny lafiny efatra. Nisy ampiantany manodidina, indiman-jaton'ny volotara ny lavany, ary indiman-jatony koa ny sakany, hampiavaka ny masina sy ny tsy masina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Norefesiny avokoa ny lafiny efatra. Nisy ampiantany manodidina, indimanjaton’ny volotara fandrefesana ny lavany ary indimanjatony koa ny sakany, hampiavaka ny masina sy ny tsy masina.
malagasy
Norefesiny avokoa ny lafiny efatra. Nisy ampiantany manodidina, indiman-jaton'ny volotara ny lavany, ary indiman-jatony koa ny sakany, hampiavaka ny masina sy ny tsy masina.