Ezekiel 43:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha menatra ny amin’izay rehetra nataony izy dia asehoy azy ny endriky ny Trano mbamin’ny fombafombany, ny fivoahana avy ao aminy, ny fidirana ho ao aminy, ny endriny rehetra ary ny didy rehetra momba azy, eny, ny endriny rehetra ary ny lalàna rehetra momba azy. Ampahafantaro azy izany sady soraty eo imasony, hitandremany ny endriny rehetra sy ny didy rehetra momba izany ka hanatanterahany izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha menatra izy noho izay rehetra efa nataony, dia ambarao azy ny endrik’ity trano ity, ny filaminany, ny fivoahana amam-pidirana aminy, ny andriny, ny fandaharana rehetra momba azy, ary ny fombany aman-dalàna rehetra; ataovy an-tsoratra eo imasony izany rehetra izany, mba hitandremany ny fombany amam-pitsipiny rehetra, sy hanatanterahany an’izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha menatra ny amin’izay rehetra nataony tokoa izy, dia asehoy azy ny sarin’ny tempoly miaraka amin’ny fitsitokotokoan’ny trano ary koa ireo vavahady miditra sy mivoaka, izany hoe ny drafitra ankapobeny. Ataovy an-tsoratra eo ambany masony avokoa ny lalàna sy fepetra amam-pitsipika tsy maintsy arahiny mba hahafahany mitandrina sy mampihatra azy.
Malagasy Bible 1865
Ary raha menatra ny amin'izay rehetra efa nataony izy, dia asehoy azy ny endriky ny trano mbamin'ny fombafombany sy ny fivoahana avy ao aminy sy ny fidirana ho ao aminy ary ny endriny rehetra sy ny didy rehetra aminy, eny, ny endriny rehetra ary ny lalàna rehetra aminy; koa soraty eo imasony izany, hitandremany ny endriny rehetra ary ny lalàny rehetra ka hanatanterahany izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha menatra ny amin’izay rehetra nataony izy dia asehoy azy ny endriky ny Trano mbamin’ny fombafombany, ny fivoahana avy ao aminy, ny fidirana ho ao aminy, ny endriny rehetra ary ny didy rehetra momba azy, eny, ny endriny rehetra ary ny lalàna rehetra momba azy. Ampahafantaro azy izany sady soraty eo imasony, hitandremany ny endriny rehetra sy ny didy rehetra momba izany ka hanatanterahany izany.
malagasy