Ezekiel 43:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no mariky ny alitara araka ny hakiho, nefa isaky ny hakiho iray dia mihoatra felatanana iray noho ny fanao: Ny fanorenany dia iray hakiho ary iray hakiho koa ny sakany, ary ny sisiny manodidina dia irain-jehy; ireo no fiorenan’ny alitara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no refin’ny ôtely amin’ny hakiho, fa ny hakiho kosa dia hakiho sy vodivoam-pelatanana; ny lakan-drano iray hakiho ny haavony, iray hakiho ny sakany; ny molony manodidina azy irain-jehy. Toy izany no fiantombenan’ny ôtely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireto avy no refin’ny alitara, araka ny fandrefesana fampiasa ankehitriny. Ny halalin’ny tatatra manodidina azy dia dimampolo santimetatra; ny velarany dia dimampolo santimetatra ary ny morony manodidina dia niavo 25 santimetatra. Izao kosa ny amin’ny haavon’ny alitara:
Malagasy Bible 1865
Ary izao no mariky ny alitara araka ny hakiho, nefa isaky ny hakiho iray dia mihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao: Ny fara-vodiny dia iray hakiho, ary iray hakiho koa ny sakany, ary ny koronosiny manodidina dia irain-jehy; ireo no fiorenan'ny alitara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no mariky ny alitara araka ny hakiho*, nefa isaky ny hakiho iray dia mihoatra felatanana iray noho ny fanao: Ny fanorenany dia iray hakiho ary iray hakiho koa ny sakany, ary ny sisiny manodidina dia irain-jehy; ireo no fiorenan’ny alitara.
malagasy
[Ny amin'ny alitaran'ny fanatitra odorana sy ny fanokanana azy] Ary izao no mariky ny alitara araka ny hakiho, nefa isaky ny hakiho iray dia mihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao: Ny fara-vodiny dia iray hakiho, ary iray hakiho koa ny sakany, ary ny koronosiny manodidina dia irain-jehy; ireo no fiorenan'ny alitara.