Ezekiel 43:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hatreo amin’ny fanorenany eo amin’ny tany ka hatramin’ny foto-drindriny ambany dia roa hakiho, ary ny sakany dia iray hakiho; ary hatreo amin’ny foto-drindrina kely ka hatramin’ny rindriny lehibe dia efatra hakiho, ary ny sakany dia iray hakiho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatramin’ny lakan-drano eo amin’ny tany, ka hatreo amin’ny koronosy manodidina ambany, roa hakiho, ary iray hakiho ny sakany; hatramin’ny koronosy kely ka hatramin’ny koronosy lehibe, efatra hakiho, ary iray hakiho ny sakany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
nisy iray metatra manomboka eo am-potony ambony tatatra ka hatramin’ny marin-tampona ambany izay efamira dimampolo santimetatra avy ny lafiny tsirairay. Nisy roa metatra manomboka amin’io marin-tampona ambany io ka hatramin’ny marin-tampona manaraka izay efamira dimampolo santimetatra avy ny lafiny tsirairay.
Malagasy Bible 1865
Ary hatramin'ny fara-vodiny eo amin'ny tany ka hatramin'ny rindriny ambany dia roa hakiho, ary ny sakany dia iray hakiho; ary hatramin'ny rindriny iva ka hatramin'ny rindriny avo dia efatra hakiho; ary ny sakany dia iray hakiho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hatreo amin’ny fanorenany eo amin’ny tany ka hatramin’ny foto-drindriny ambany dia roa hakiho, ary ny sakany dia iray hakiho; ary hatreo amin’ny foto-drindrina kely ka hatramin’ny rindriny lehibe dia efatra hakiho, ary ny sakany dia iray hakiho.
malagasy