Ezekiel 43:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fatan’ny alitara dia efatra hakiho amin’ny tapany ambony, ary misy tandroka eo an-jorony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efatra hakiho ny Harely; ary ny avy eo amin’ny Ariela eo ambony no ijoroan’ny tandroka efatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny fanambonin’ny alitara, izay misy ny fatana, dia roa metatra ny haavony, ka tandroka efatra no teo amin’ny zorony efatra.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fanambonin'ny alitara dia ho efatra hakiho, ary eo ambonin'ny fatana dia hisy tandroka efatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fatan’ny alitara dia efatra hakiho amin’ny tapany ambony, ary misy tandroka* eo an-jorony.
malagasy
Ary ny fanambonin'ny alitara dia ho efatra hakiho, ary eo ambonin'ny fatana dia hisy tandroka efatra.[Heb. Harela = tendrombohitr'Andriamanitra][Heb. Ariela = fatan'Andriamanitra, na lion'Andriamanitra, ka tokony ho anaran'ny momba ny fanambonin'ny alitara ireo]